Matthew 26:47 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha mbola niteny Jesosy dia indro, avy i Jodasy izay iray amin’ny roa amby folo lahy, miaraka amin’ny vahoaka betsaka, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny loholona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha mbola niteny izany Izy, dia indro tamy i Jodasy isan’ny roa ambin’ny folo lahy, arahin’ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mbola niteny i Jesoa, dia indro tonga i Jodasy, anankiray amin’ny 12 lahy; ary olona maro nirongo sabatra sy kibay, irak’ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholon ’ny vahoaka jiosy, no tafaraka taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, mbamin'ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha mbola niteny Jesosy dia indro, avy i Jodasy izay iray amin’ny roa amby folo lahy, miaraka amin’ny vahoaka betsaka, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny loholona.
malagasy