Matthew 26:55 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tamin’izany ora izany dia niteny tamin’ny vahoaka Jesosy hoe: Tonga mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isanandro dia nipetraka nampianatra tao amin’ny tempoly Aho nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tamin’izay dia hoy i Jesoa tamin’ireo vahoaka ireo: «Mova tsy ny hisambotra jiolahy ianareo mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy; nipetraka isan’andro teo aminareo Aho, nampianatra teo an-Tempoly, nefa tsy nosamborinareo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay fotoana izay i Jesoa dia niteny tamin’ny andian’olona nirahina hoe: –Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay hisambotra Ahy! Isan’andro Aho dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly, kanefa tsy nosamborinareo.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany ora izany dia niteny tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan'andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tamin’izany ora izany dia niteny tamin’ny vahoaka Jesosy hoe: Tonga mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isanandro dia nipetraka nampianatra tao amin’ny tempoly Aho nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.
malagasy