Matthew 26:64 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; nefa, lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia ho hitanareo ny Zanak’Olona mipetraka eo ankavanan’ny Hery ary tonga eny amin’ny rahon’ny lanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Jesoa taminy: «Voalazanao. Ary lazaiko aminareo koa fa indray andro any ianareo hahita ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra be fahefana sy avy, eo amin’ny rahon’ny lanitra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novalian’i Jesoa hoe: –Anao izany teny izany! Kanefa ambarako aminareo fa tsy ho ela intsony dia ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’ilay Andriamanitra mahery ary koa tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka.
Malagasy Bible 1865
Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny tanana ankavanan'ny Hery sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; nefa, lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia ho hitanareo ny Zanak’Olona* mipetraka eo ankavanan’ny Hery ary tonga eny amin’ny rahon’ny lanitra.
malagasy
Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny tanana ankavanan'ny Hery sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.