Matthew 26:65 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izay ny Mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka niteny hoe: Efa niteny ratsy Izy; inona no mbola ilàntsika vavolombelona indray? Indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay dia notriarin’ilay lehiben’ny mpisorona ny fitafiany ka hoy izy: «Niteny ratsy an’Andriamanitra Izy, ka ahoana indray no hilantsika vavolombelona? Indro efa renareo ny fitenenany ratsy an’Andriamanitra:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay ny mpisorombe dia nandriatra ny fitafiany sady niteny hoe: –Nanevateva an’Andriamanitra Izy; ka inona indray no ilàntsika vavolombelona hiampanga. Indro renareo teo ny fanevatevàny an’Andriamanitra;
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izay ny Mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka niteny hoe: Efa niteny ratsy Izy; inona no mbola ilàntsika vavolombelona indray? Indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy izao.
malagasy
Ary tamin'izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy izao.[Gr. blasfemia, izahao 9. 3]