Matthew 26:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia nanatona Azy ny vehivavy iray nitondra tavoara alabasitara feno menaka manitra tena sarobidy, koa nararany tamin’ny lohan’i Jesosy izany, raha nipetraka nisakafo Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia nisy vehivavy anankiray nanatona Azy, nitondra tavoara alabastra feno diloilo manitra sarobidy, sy nanidina izany tamin’ny lohany raha mbola nipetraka nihinana Izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mbola teo am-pisakafoana i Jesoa, dia nisy vehivavy anankiray nitondra tavoahangy alabasitra feno ilomanitra sarobidy; ary naidin-dravehivavy tamin’ny lohan’i Jesoa ny ilomanitra.
Malagasy Bible 1865
dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin'ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia nanatona Azy ny vehivavy iray nitondra tavoara alabasitara feno menaka manitra tena sarobidy, koa nararany tamin’ny lohan’i Jesosy izany, raha nipetraka nisakafo Izy.
malagasy
dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin'ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy.