Matthew 26:75 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nahatsiaro ny tenin’i Jesosy i Petera, dia ilay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno dia handa Ahy intelo ianao. Ary lasa nandeha tany ivelany izy dia nigogogogo nitomany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka tsaroan’i Piera ny tenin’i Jesoa nanao hoe; «Alohan’ny maneno akoho, handà Ahy intelo ianao.» Dia nivoaka izy ka nitomany fatratra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary tsaroan’i Petera ny teny voalazan’i Jesoa hoe: «Alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.» Dia lasa nankany ivelany i Petera ka nitomany fatratra.
Malagasy Bible 1865
Ary Petera nahatsiaro ny tenin'i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nahatsiaro ny tenin’i Jesosy i Petera, dia ilay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno dia handa Ahy intelo ianao. Ary lasa nandeha tany ivelany izy dia nigogogogo nitomany.
malagasy
Ary Petera nahatsiaro ny tenin'i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.