Matthew 27:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa nipetraka teo amin’ny fitsarana izy dia nandefa iraka hankeo aminy ny vadiny hilaza aminy hoe: Aza manao na inona na inona amin’izany Lehilahy marina izany fa nampahory be ahy androany ny nanofisako Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha nipetraka teo amin’ny fitsarana izy, dia nampaniraka taminy ny vadiny hilaza hoe: «Aza manao na inona na inona amin’io Lehilahy marina io ianao, fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako Azy halina izay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary raha mbola nipetraka teo amin’ny fitsarana iny i Pilato, dia naniraka olona ny vadiny hilaza aminy hoe: «Aza manao na inona na inona amin’io olo-marina io, fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako Azy any naraina izay!»
Malagasy Bible 1865
Ary raha nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona amin'izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa nipetraka teo amin’ny fitsarana izy dia nandefa iraka hankeo aminy ny vadiny hilaza aminy hoe: Aza manao na inona na inona amin’izany Lehilahy marina izany fa nampahory be ahy androany ny nanofisako Azy.
malagasy