Matthew 27:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy ny governora tamin’izy ireo: Iza amin’izy roa lahy moa no tianareo hafahako ho anareo? Dia hoy izy rehetra: I Barabasy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niteny indray ny governora nanao hoe: «Iza no tianareo halefako ho anareo amin’izy roa lahy?» «I Barabasy» hoy izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niteny tamin’ny vahoaka indray i Pilato nanao hoe: –Iza amin’izy roa lahy ireto no tianareo halefako ho anareo? Ka hoy ny vahoaka: –I Barabasy!
Malagasy Bible 1865
Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin'izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy ny governora tamin’izy ireo: Iza amin’izy roa lahy moa no tianareo hafahako ho anareo? Dia hoy izy rehetra: I Barabasy.
malagasy
Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin'izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy.