Matthew 27:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa hitan’i Pilato fa tsy nisy hevitra, fa vao mainka nitombo ihany ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka sady niteny hoe: Tsy manan-tsiny amin’ny ran’ity Lehilahy ity aho fa raharahanareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony hitan’i Pilaty, fa tsy nahomby izy fa vao mainka nitombo aza ny tabataba, dia nampaka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka ary nanao hoe: «Afa-tsiny amin’ny Ran’io Lehilahy marina io aho; fa raharahanareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony hitan’i Pilato fa tsy nahomby izy fa vao mainka nitombo aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka sady nanao hoe: –Afa-tsiny amin’ny hahafatesan’io Lehilahy io aho! Raharahanareo ny anareo.
Malagasy Bible 1865
Ary raha hitan'i Pilato, fa tsy nahaleo ditra aza izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan'ny vahoaka ary nanao hoe: Afaka amin'ny ran'ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa hitan’i Pilato fa tsy nisy hevitra, fa vao mainka nitombo ihany ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka sady niteny hoe: Tsy manan-tsiny amin’ny ran’ity Lehilahy ity aho fa raharahanareo.
malagasy