Matthew 27:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
sady niteny hoe: Nanota aho satria namadika ny ran’ny tsy manan-tsiny. Fa hoy ireo: Ahoanay inona izany fa raharahanao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nanao hoe: «Nanota aho, fa nanolotra ny Ra marina.» «Ahoanay izany? hoy ireo, fa asanao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady nilaza hoe: –Nanota aho fa nanolotra olona tsy manan-tsiny hovonoina. Fa hoy ireo: –Ahoanay inona izany? Raharahanao ny anao!
Malagasy Bible 1865
ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
sady niteny hoe: Nanota aho satria namadika ny ran’ny tsy manan-tsiny. Fa hoy ireo: Ahoanay inona izany fa raharahanao!
malagasy
ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao.