Matthew 27:40 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
no niteny hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin’ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, midìna hiala amin’ny hazofijaliana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nanao hoe: «Ialahy, ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra sy manangana azy anatin’ny hateloana ity, vonjeo ilay ity ny Tenan’ialahy; raha Zanak’Andriamanitra ialahy, mialà amin’ny Hazofijaliana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nanao hoe: –Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manorina azy anatin’ny telo andro ity, vonjeo ny tenanao, raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, ary midîna avy eo amin’ny hazofijaliana!
Malagasy Bible 1865
ka nanao hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin'ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, midina hiala amin'ny hazo fijaliana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
no niteny hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin’ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, midìna hiala amin’ny hazofijaliana.
malagasy
ka nanao hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin'ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, midina hiala amin'ny hazo fijaliana.