Matthew 27:46 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nony tokony ho tamin’ny ora fahasivy dia niantso tamin’ny feo mahery Jesosy hoe: Elỳ, Elỳ, lamà sabaktàny? Izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao (Sal 22.1)?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tokony ho tamin’ny ora fahasivy, dia niantso mafy i Jesoa hoe: «Elia, Elia lamma sabaktany!» izany hoe «Ry Andriamanitro! Ry Andriamanitro, nahoana no dia nilaozanao aho?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tamin’ny telo tolakandro teo ho eo i Jesoa dia niantso tamin’ny feo mahery nanao hoe: –Ely, Ely, lamà sabaktàny? (izany hoe: «Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia nilaozanao Aho?»)
Malagasy Bible 1865
Ary nony tokony ho tamin'ny ora fahasivy, dia niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao? (Sal. 22. 1).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nony tokony ho tamin’ny ora fahasivy dia niantso tamin’ny feo mahery Jesosy hoe: Elỳ, Elỳ, lamà sabaktàny? Izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao (Sal 22.1)?
malagasy