Matthew 27:48 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niaraka tamin’izay dia nihazakazaka ny iray tamin’izy ireo ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin’ny vinaingitra izany dia notohiziny tamin’ny volotara ka natohony hotsentsefin’i Jesosy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nihazakazaka niaraka tamin’izay ny anankiray tamin’izy ireo ka nandray spônjy; nony novontosany vinaingitra dia notohizany volotara ka natohony Azy hotsentsefiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niaraka tamin’izay dia nihazakazaka ny anankiray tamin-dry zareo naka spaonjy; dia novontosany vinaingitra ilay spaonjy ary notohiziny volotara ka natohony an’i Jesoa mba hotsentsefiny.
Malagasy Bible 1865
Ary niaraka tamin'izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin'ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin'ny volotara, dia natohony hotsentsefin'i Jesosy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niaraka tamin’izay dia nihazakazaka ny iray tamin’izy ireo ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin’ny vinaingitra izany dia notohiziny tamin’ny volotara ka natohony hotsentsefin’i Jesosy.
malagasy