Matthew 27:60 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia naleviny tao amin’ny fasany vaovao izay efa nolavahany tao amin’ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin’ny varavaran’ny fasana izy dia lasa nandeha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary naleviny tao amin’ny fasana vaovao nolavahana tamin’ny vatolampy, izay nampanaoviny ho an’ny tenany. Nony nakodiany ny vato makadiry tamin’ny varavaram-pasana, dia lasa izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary napetrany tao amin’ny fasana vaovao izay nampandavahany ho an’ny tenany tamin’ny vatolampy. Rehefa avy nanakodia vato makadiry teo amin’ny vavafasana i Jôsefa, dia lasa nandeha.
Malagasy Bible 1865
dia naleviny tao amin'ny fasany vaovao izay efa nolavahany tamin'ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy, dia lasa nandeha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia naleviny tao amin’ny fasany vaovao izay efa nolavahany tao amin’ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin’ny varavaran’ny fasana izy dia lasa nandeha.
malagasy
dia naleviny tao amin'ny fasany vaovao izay efa nolavahany tamin'ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy, dia lasa nandeha.