Matthew 28:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny alin’ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia avy hijery ny fasana i Maria Magdalena sy ilay Maria iray hafa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny alin’ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia lasa nitsirika ny fasana i Maria Madelenina sy ilay Maria anankiray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro alahady, dia lasa nizaha ny fasana i Maria ilay avy any Magdalà sy i Maria anankiray hafa.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny alin’ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia avy hijery ny fasana i Maria Magdalena sy ilay Maria iray hafa.
malagasy
Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.