Matthew 28:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia mandehana haingana ka lazao amin’ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy; ary indro, mialoha anareo any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mandehana haingana milaza amin’ny mpianany fa efa nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty Izy, ary indro hialoha anareo any Galilea Izy; any no hahitanareo Azy; izany àry, fa efa nilazako ianareo izay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ndeha haingana lazao amin’ny mpianany hoe: «Efa nitsangana velona avy tany amin’ny maty Izy, ary indro mialoha anareo any Galilea, ka any no hahitanareo Azy.» Izany àry, fa efa nilazako ianareo.
Malagasy Bible 1865
Ary mandehana faingana, ka lazao amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia mandehana haingana ka lazao amin’ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy; ary indro, mialoha anareo any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho.
malagasy
Ary mandehana faingana, ka lazao amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho.