Matthew 3:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izaho dia manao batisa anareo amin’ny rano ho amin’ny fibebahana; fa Ilay avy ao aorianako no mahery noho izaho ka tsy mendrika hanaisotra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izaho dia manao batemy anareo amin’ny rano, ho amin’ny fibebahana; fa Ilay ho avy aoriako no mahery kokoa noho izaho, ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy koa i Jôhany: –Ny ahy, ao amin’ny rano no anaovako batisa anareo ho mariky ny fialana amin’ny toetra ratsy. Fa Ilay tamy aoriako dia mahery noho izaho ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; ny Azy dia ao amin’ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo.
Malagasy Bible 1865
Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izaho dia manao batisa anareo amin’ny rano ho amin’ny fibebahana; fa Ilay avy ao aorianako no mahery noho izaho ka tsy mendrika hanaisotra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;
malagasy