Matthew 3:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa namaly azy Jesosy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika mba hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Dia nekeny Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Ekeo izao, fa izao no mety hahatanterahantsika ny fahamarinana rehetra.» Dia nanaiky izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa novalian’i Jesoa hoe: –Ekeo ihany aloha, fa izany no tsy maintsy anatontosantsika ny zavatra rehetra voasoritr’Andriamanitra. Izay vao nanaiky i Jôhany.
Malagasy Bible 1865
Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa namaly azy Jesosy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika mba hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Dia nekeny Izy.
malagasy
Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.