Matthew 4:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha mbola nandroso Izy dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona, rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin’i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka nanamboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy koa Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia mbola nandroso ihany Izy, ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy, nanamboatra ny haratony; ary nantsoiny izy mirahalahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nandroso ihany i Jesoa ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba sy i Jôhany zanak’i Zebedeo; tafaraka tamin’i Zebedeo rainy teo an-tsambokely izy roa lahy ary nanamboatra harato.
Malagasy Bible 1865
Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin'i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha mbola nandroso Izy dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona, rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin’i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka nanamboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy koa Izy.
malagasy