Matthew 4:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niely manerana an’i Siria ny lazany ka noentin’ny olona tany Aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina maro samihafa sy ireo nampahorin’ny adin-tsaina, dia ny demoniaka sy izay mararin’ny androbe ary ny malemy, ary nahasitrana ireny Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian’ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon’ny demony sy ny mararin’ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa.
Malagasy Bible 1865
Ary niely eran'i Syria ny lazany, ka dia nentin'ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon'ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka sy izay mararin'ny androbe ary ny mararin'ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niely manerana an’i Siria ny lazany ka noentin’ny olona tany Aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina maro samihafa sy ireo nampahorin’ny adin-tsaina, dia ny demoniaka sy izay mararin’ny androbe ary ny malemy, ary nahasitrana ireny Izy.
malagasy
Ary niely eran'i Syria ny lazany, ka dia nentin'ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon'ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka sy izay mararin'ny androbe ary ny mararin'ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.[Demoniaka = olona nidiran'ny demonia; izahao Mat.7.22]Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin'i Jordana.