Matthew 5:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihavàna haingana amin’ilay manana ady aminao raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin’ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa dia hanolotra anao amin’ny mpiambina ka hatao ao an-tranomaizina ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao, dieny samy mbola eo an-dalana ianareo, fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao, ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra, ka hatao an-tranomaizina ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao dieny samy mbola eny an-dalana ho any amin’ny fitsarana ianareo; fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin’ny mpitsara; ny mpitsara kosa hanolotra anao amin’ny miaramila, ka hatao am-ponja ianao.
Malagasy Bible 1865
Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihavàna haingana amin’ilay manana ady aminao raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin’ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa dia hanolotra anao amin’ny mpiambina ka hatao ao an-tranomaizina ianao.
malagasy