Matthew 6:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay mampanjombona ny endriny ary manaratsy ny tarehiny mba ho hitan’ny olona fa mifady hanina. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha mifady hanina ianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Rehefa mifady hanina ianareo, aza mba manahaka ny mpihatsaravelatsihy ka malahelo endrika. Ataon-dry zareo manjonitra ny tarehiny mba hahitan’ny olona azy hoe mifady hanina. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany.
Malagasy Bible 1865
Ary raha mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan'ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay mampanjombona ny endriny ary manaratsy ny tarehiny mba ho hitan’ny olona fa mifady hanina. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
malagasy