Matthew 6:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa aza manahaka azy ianareo; fa alohan’ny hangatahanareo Aminy dia efa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa aza manahaka azy ianareo, fa na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo, fantatry ny Rainareo izay ilainareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa aza mba manahaka azy ianareo, satria fantatry ny Rainareo rahateo ny zavatra ilainareo, alohan’ny hangatahanareo izany aminy.
Malagasy Bible 1865
Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa aza manahaka azy ianareo; fa alohan’ny hangatahanareo Aminy dia efa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo.
malagasy
Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo.