Matthew 8:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nony hariva ny andro dia noentin’ny olona tany Aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no nandroahany ny fanahy ratsy, koa izay rehetra narary dia nositraniny avokoa
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nony hariva ny andro, dia maro ny azon’ny demony nentina teo aminy, ka teny indraimbava no nandroahany ny fanahy ratsy, ary nositraniny avokoa izay rehetra narary,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony hariva ny andro, dia maro ny azon’ny demony no nentin’ny olona teo amin’i Jesoa; teny fotsiny no nataon’i Jesoa handroahana ireny fanahy ratsy ireny. Ary izay rehetra narary dia nositraniny avokoa;
Malagasy Bible 1865
Ary nony hariva ny andro, dia nentin'ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nony hariva ny andro dia noentin’ny olona tany Aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no nandroahany ny fanahy ratsy, koa izay rehetra narary dia nositraniny avokoa
malagasy
Ary nony hariva ny andro, dia nentin'ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,