Matthew 8:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nony tonga teny ampita tany amin’ny tanin’ny Gadareniana izy ireo dia nifanena Taminy ny demoniaka roa lahy, avy tany amin’ny fasana, sady tena masiaka ka tsy nisy olona sahy nandalo tamin’izany lalana izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony efa tonga teny am-pita tamin’ny tanin’ny Gerasena Izy, dia nisy lehilahy roa nidiran’ny demony, nivoaka avy tamin’ny fasana, ka namantana taminy; masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany lalana izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga teny ampita teo amin’ny faritanin’i Gadarà i Jesoa, dia nisy olona roa lahy nipoitra avy eny amin’ny fasana, nitsena Azy. Azon’ny demony izy roa lahy ary tena nasiaka mihitsy ka tsy nisy olona sahy nandalo tamin’izany lalana izany.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga teny am-pita teo amin'ny tanin'ny Gadarena Izy, dia nifanena taminy ny demoniaka roa lahy, nivoaka avy teny amin'ny fasana, sady masiaka loatra, ka tsy nisy olona nahazo nandalo tamin'izany lalana izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nony tonga teny ampita tany amin’ny tanin’ny Gadareniana izy ireo dia nifanena Taminy ny demoniaka roa lahy, avy tany amin’ny fasana, sady tena masiaka ka tsy nisy olona sahy nandalo tamin’izany lalana izany.
malagasy