Matthew 8:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Izy taminy: Mandehana! Dia lasa ireo ka niditra tao anatin’ny kisoa; ary indreny, nitratrevatreva teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina ny kisoa rehetra ka maty tany anatin’ny rano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy Izy taminy: «Mandehana.» Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin’ny kisoa; niaraka tamin’izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra, ka maty tany anaty rano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Jesoa tamin’ny demony: –Mandehana. Dia niala tamin’izy roa lahy ny demony ka lasa niditra tao amin’ny kisoa. Ary indreo ny kisoa andiany manontolo fa nirifatra ka nivarimbarina tan-kilahila ho any anaty farihy dia maty an-drano tao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin'ny kisoa; ary, indreny, ny kisoa andiany rehetra nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina, ka dia maty tany anatin'ny rano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Izy taminy: Mandehana! Dia lasa ireo ka niditra tao anatin’ny kisoa; ary indreny, nitratrevatreva teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina ny kisoa rehetra ka maty tany anatin’ny rano.
malagasy