Matthew 8:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandositra ny mpiandry kisoa, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny amin’ireo demoniaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nandositra ny mpiandry azy: ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany, sy ny amin’ireo olona roa nidiran’ny demony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandositra kosa ireo mpiandry kisoa, ary nankany an-tanàna nilaza ny zava-nitranga rehetra sy ny momba azy roa lahy azon’ny demony teo aloha.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpiandry nandositra, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny amin'ireo demoniaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandositra ny mpiandry kisoa, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny amin’ireo demoniaka.
malagasy
Ary ny mpiandry nandositra, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny amin'ireo demoniaka.Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an'i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin'ny fari-taniny.