Matthew 8:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indreo ny olona rehetra avy tao an-tanàna, tonga mba hitsena an’i Jesosy; kanefa nony nahita Azy izy ireo dia nifona tamin’i Jesosy mba hialany amin’ny faritaniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an’i Jesoa, ka nony nahita Azy, dia niangavy taminy mba hiala amin’ny faritaniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay ny mponina rehetra iray tanàna dia niainga nitsena an’i Jesoa; ka nony nahita Azy, dia nitalaho mba hialan’i Jesoa eo amin’ny taniny.
Malagasy Bible 1865
Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an'i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin'ny fari-taniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indreo ny olona rehetra avy tao an-tanàna, tonga mba hitsena an’i Jesosy; kanefa nony nahita Azy izy ireo dia nifona tamin’i Jesosy mba hialany amin’ny faritaniny.
malagasy
Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an'i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin'ny fari-taniny.