Matthew 8:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza na amin’iza na amin’iza ianao; fa mandehana, misehoa amin’ny mpisorona ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian’i Mosesy ho vavolombelona amin’ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Jesoa taminy: «Tandremo, aza milaza na amin’iza na amin’iza, fa mandehana miseho amin’ny mpisorona, ary atolory ny fanatitra didian’i Môizy haterina mba ho vavolombelon’ny fahasitrananao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Jesoa taminy: –Tandremo ny milaza izao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin’i Mosesy mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza ianao; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian'i Mosesy ho vavolombelona amin'ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza na amin’iza na amin’iza ianao; fa mandehana, misehoa amin’ny mpisorona ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian’i Mosesy ho vavolombelona amin’ireo.
malagasy