Matthew 9:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan’ny mpampakatra raha mbola ao aminy ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’izay vao hifady hanina izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Jesoa taminy: «Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao hifady hanina izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Jesoa taminy: –Moa azon’ireo mpanotrona ny mpampaka-bady atao ve ny misaona raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra? Tsia. Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra eo aminy, ka amin’izay andro izay vao hifady hanina ireo mpanotrona.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan'ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izay vao hifady izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan’ny mpampakatra raha mbola ao aminy ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’izay vao hifady hanina izy.
malagasy