Matthew 9:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba mbola tsy voasasa; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny akanjo ka hiitatra ny triatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao, fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny rovitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Tsy misy olona manampina fitafiana tonta amin’ny tapa-damba vaovao; fa handrirotra ny fitafiana tonta ilay tapa-damba natampina, ary vao mainka hitatra ny rovitra.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin'ny tapa-damba tsy mbola voalòna; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba mbola tsy voasasa; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny akanjo ka hiitatra ny triatra.
malagasy
Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin'ny tapa-damba tsy mbola voalòna; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra.