Matthew 9:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mbola nilaza izany tamin’izy ireo Izy dia indro, avy ny mpanapaka iray dia niankohoka teo anatrehany sady niteny hoe: Maty vao teo ny zanako vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy dia ho velona izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha mbola niteny izany tamin’ireo Izy, dia indro nisy lehiben’ny sinagoga anankiray niditra nanatona sy nitsaoka Azy, ka nanao hoe: «Tompoko, maty vao izao ny zanako vavy, ka andeha re hametraka ny tananao aminy, dia ho velona izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mbola niteny izany tamin’ny mpianatr’i Jôhany Mpanao batisa i Jesoa, dia indro tonga ity manampahefana jiosy anankiray niankohoka teo anatrehany sady nanao hoe: –Maty vao izao ny zanako vavy; ka andeha re hametraka ny tananao aminy dia ho velona izy.
Malagasy Bible 1865
Raha mbola nilaza izany taminy Izy, indro, tonga ny mpanapaka anankiray, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Maty ankehitriny izao ny zanako-vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy, dia ho velona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mbola nilaza izany tamin’izy ireo Izy dia indro, avy ny mpanapaka iray dia niankohoka teo anatrehany sady niteny hoe: Maty vao teo ny zanako vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy dia ho velona izy.
malagasy