Matthew 9:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa navoaka ny demonia dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka niteny hoe: Tsy mbola nisy zava-niseho toy izao tamin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe: «Tsy mbola nisy toy izany tamin’i Israely.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa voaroakan’i Jesoa ny demony, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka sady vaky vava hoe: –Tsy mbola nisy zava-nitranga toy izao teto amin’i Israely!
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa navoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka nanao hoe: Tsy mbola nisy niseho toy izao tamin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa navoaka ny demonia* dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka niteny hoe: Tsy mbola nisy zava-niseho toy izao tamin’ny Israely.
malagasy
Ary rehefa navoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka nanao hoe: Tsy mbola nisy niseho toy izao tamin'ny Isiraely.