Micah 1:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra. Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy. Aoka NY TOMPO Andriamanitra no ho vavolombelona hanameloka anareo, dia NY TOMPO, avy ao amin’ny tempoliny masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mihainoa ianareo, ry firenena rehetra! Mandrenesa tsara, ry tany, mbamin’izay rehetra monina eo aminao! Efa hitsangan-ko vavolombelona hiampanga anareo ny Tompo Iaveh, dia ny Tompo avy ao amin’ny lapan’ny fahamasinany!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mihainoa ianareo, ry firenena rehetra. Mandrenesa tsara, ry tany sy izay rehetra ao aminy! Ny Tompo ANDRIANANAHARY no ho tonga eo anivonareo mba ho vavolombelona hiampanga, dia ny Tompo avy ao amin’ny tempoliny masina.
Malagasy Bible 1865
Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra; Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy; Ary aoka Jehovah Tompo no ho vavolombelona hanameloka anareo, Dia Jehovah avy ao amin'ny tempoliny masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra. Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy. Aoka NY TOMPO Andriamanitra no ho vavolombelona hanameloka anareo, dia NY TOMPO, avy ao amin’ny tempoliny masina.
malagasy
[Ny loza hanjo an'i Samaria sy Joda] Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra; Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy; Ary aoka Jehovah Tompo no ho vavolombelona hanameloka anareo, Dia Jehovah avy ao amin'ny tempoliny masina.