Micah 1:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa i Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha sy tany fambolem-boaloboka; havariko ho any an-dohasaha ny vatony ka haharihariko ny fanorenany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa i Samaria dia hataoko antontam-bato any an-tsaha, tany fambolena voaloboka; hakodiako ho any an-dohasaha ny vatony, ary hampihanjahanjaiko ny fanorenany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, dia hoy ny Tompo hoe: «Hataoko antontan-korontam-bato eny an-tsaha i Samaria, hataoko tany fambolena voaloboka; ary havariko any an-dohasaha ny vatony, ka hampihanjahanjaiko ny fototra iorenany.
Malagasy Bible 1865
Koa Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha Sy tany fambolem-boaloboka; Ary hakorotsako ho any an-dohasaha ny vatony, Ka haharihariko ny fanorenany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa i Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha sy tany fambolem-boaloboka; havariko ho any an-dohasaha ny vatony ka haharihariko ny fanorenany.
malagasy
Koa Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha Sy tany fambolem-boaloboka; Ary hakorotsako ho any an-dohasaha ny vatony, Ka haharihariko ny fanorenany.