Micah 1:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, ary hodorana amin’ny afo ny karama malotony rehetra sady hofoanako ny sampiny rehetra satria karama maloton’ny vehivavy janga no nanangonany ireny, ary hody ho karama maloton’ny vehivavy janga indray ilay izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hotorotoroina ny sariolona rehetra ao aminy; ho levon’ny afo ny tambiny rehetra; hataoko faharavan-javatra avokoa ny sampiny fa tangim-pijangajangana no nanangonany an’ireny, ka hody ho tangim-pijangajangana indray koa ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra hodorana amin’ny afo ny tamby rehetra azony ary hopotehiko ny sarin-tsampiny rehetra; satria tambin’ny vehivavy janga no nanangonany azy, dia hanambazana vehivavy janga any an-kafa indray ireny.»
Malagasy Bible 1865
Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, Ary hodorana amin'ny afo ny tanginy rehetra, Sady hofoanako ny sampiny rehetra; Tangin'ny vehivavy janga no nanangonany ireny, Ary hody ho tangin'ny vehivavy janga indray izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, ary hodorana amin’ny afo ny karama malotony rehetra sady hofoanako ny sampiny rehetra satria karama maloton’ny vehivavy janga no nanangonany ireny, ary hody ho karama maloton’ny vehivavy janga indray ilay izy.
malagasy