Micah 2:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lozan’izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandrianany! Ary nony maraina ny andro dia manatanteraka izany izy satria manan-kery ny tanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mila loza izay mieritreritra ny hanao ratsy sy misaintsaina eo am-pandriana ny loza hafitsony! Raha vao maraina koa, tanterahiny izany, raha tahiny mbola mety hoefain’ny tanany ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lozan’izay manoman-keloka, sy mikasa hanao ratsy eo am-pandriany amin’ny alina; ka nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy satria misy hery eo am-pelatanany.
Malagasy Bible 1865
Lozan'izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lozan’izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandrianany! Ary nony maraina ny andro dia manatanteraka izany izy satria manan-kery ny tanany.
malagasy
[Ny heloky ny Isiraely, sy ny hampijaliana azy, ary ny mbola hampodiana azy indray] Lozan'izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany.