Micah 2:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitoriteny aminao ny amin’ny divay sy ny zava-mahamamo aho dia izy no ho mpitoriteny ho an’ity firenena ity.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy olona manenji-drivotra, ka milazalaza lainga manao hoe: «Haminany divay aman-dabiera ho anao aho!» dia izay no ho mpaminanin’ity firenena ity.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha misy olona iray mpanao kobaka am-bava sy mpamoron-dainga ka miteny hoe: «Lazaiko aminareo fa divay sy toaka no hatobaka ho anareo», dia izy no mpaminany mirediredy mendrika an’ity vahoaka ity!
Malagasy Bible 1865
Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitori-teny aminao ny amin'ny divay sy ny zava-mahamamo aho, Dia izy no ho mpitori-tenin 'ity firenena ity.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitoriteny aminao ny amin’ny divay sy ny zava-mahamamo aho dia izy no ho mpitoriteny ho an’ity firenena ity.
malagasy
Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitori-teny aminao ny amin'ny divay sy ny zava-mahamamo aho, Dia izy no ho mpitori-tenin'ity firenena ity.[Heb. hampitete][Heb. mpampiteten']