Micah 2:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, manomana loza hamelezana ity firenena ity Aho, dia loza tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo ka tsy handeha miandranandrana ianareo, satria andro mampahory izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka izao no lazain’i Iaveh: Indro fa misy loza saintsainiko hamelezana ity taranaka ity, ka tsy ho azonareo anafahana ny vozonareo: ka tsy handeha miandranandrana intsony ianareo, fa ho andro ratsy izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izao no lazain’ny TOMPO: «Indro Aho manomana loza hamelezana ny karazan’olona toa anareo; tsy ho azonareo ialana io loza io, ka tsy handeha miandranandrana ianareo satria andron’ny loza izany.»
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, mamorona loza hamelezana ity firenena ity Aho, Izay tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo, Ka tsy handeha miandranandrana ianareo, Satria andro mampahory izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, mamorona loza hamelezana ity firenena ity Aho, Izay tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo, Ka tsy handeha miandranandrana ianareo, Satria andro mampahory izany.