Micah 2:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany no hanaovana oha-teny mandatsa anareo ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Izay no izy! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika. Ataony fanakalo zavatra ny anjaran’ny oloko. Indrisy! Esoriny hiala amiko izany. Zarainy ho an’ny mpikomy ny tanintsika!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany, dia hanononan’ny olona ohabolana ianareo sy hihirany hira fitomaniana, hataony hoe: «Tanteraka tokoa izao, dia fongana mihitsy isika; amidiny ho anjaran’ny vahoakako! Ahoana no angalany izany amiko? Zarainy ho an’ny mpiodina ny sahantsika?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany no hanaovana oha-teny mandatsa anareo, sy hiventesana hiran-toloko ka hilazana hoe: «Levona tanteraka izahay! Lasan’olon-kafa ny anjaran’ny firenenay! Nahoana no nesorin’ny Tompo taminay ny taninay ka zarainy ho an’ny mpanohitra anay?»
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany no hanaovana oha-teny handatsana anareo, Ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Efa levona izao! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika; Ataony fanakalo zavatra ny anjaran'ny oloko; Endrey! afindrany hiala amiko izany! Samy zarainy ho an'ny mpiodina avy ny tanintsika!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany no hanaovana oha-teny mandatsa anareo ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Izay no izy! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika. Ataony fanakalo zavatra ny anjaran’ny oloko. Indrisy! Esoriny hiala amiko izany. Zarainy ho an’ny mpikomy ny tanintsika!
malagasy