Micah 3:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitsara hahazoany kolikoly ny mpifehiny, mampianatra hahazoany karama ny mpisorony ary manao fanandroana hahazoany vola ny mpaminany; nefa NY TOMPO mbola iankinany ihany ka hoy izy ireo hoe: Tsy ato amintsika va NY TOMPO? Tsy hisy loza hanjo antsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpifehy ao aminy, mitsara noho ny kolikoly, ary ny mpisorona, mampianatra noho ny karama, ary ny mpaminany, maminany noho ny vola, ary miankina amin’i Iaveh izy manao hoe: Moa tsy eto amintsika va i Iaveh? Tsy mety hanjò antsika ny loza!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpitondra azy mitsara mba hahazoana tsolotra; ny mpisorony mampianatra ny lalàna mba hahazoana karama; ary ny mpaminaniny manambara ny ho avy mba hahazoana vola. Kanefa dia mbola miankina amin’ny TOMPO ihany ireo ka miteny hoe: «Tsy eto anivontsika ve ny TOMPO? Tsia, tsy hisy loza hanjo antsika.»
Malagasy Bible 1865
Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, Ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, Ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; Nefa Jehovah mbola iankinany ihany hoe: Tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitsara hahazoany kolikoly ny mpifehiny, mampianatra hahazoany karama ny mpisorony ary manao fanandroana hahazoany vola ny mpaminany; nefa NY TOMPO mbola iankinany ihany ka hoy izy ireo hoe: Tsy ato amintsika va NY TOMPO? Tsy hisy loza hanjo antsika.
malagasy
Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, Ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, Ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; Nefa Jehovah mbola iankinany ihany hoe: Tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika.Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.