Micah 3:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa hasaina toy ny tanimboly i Ziona noho ny nataonareo, ary i Jerosalema dia ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana rakotra ala.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa noho ny aminareo, i Siôna hanjary saha asaina, i Jerosalema ho tonga antontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny Tempoly ho fitoerana avo misy hazo!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa, noho ny aminareo, i Tsiôna dia hasaina toy ny tanimboly; i Jerosalema ho tonga korotam-bato; ary ny tendrombohitra misy ilay tempoly ho rakotry ny kirihitra ala.
Malagasy Bible 1865
Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa hasaina toy ny tanimboly i Ziona noho ny nataonareo, ary i Jerosalema dia ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana rakotra ala.
malagasy
Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.