Micah 3:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa mitaraina amin’NY TOMPO ireo dia tsy hihaino azy Izy; hanafina ny tavany aminy Izy amin’izany andro izany, ho valin’ny ratsy nataony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitaraina amin’i Iaveh izy ireo amin’izany, nefa tsy hohenoiny; hafeniny amin’izy ireo ny Tavany amin’izany andro izany, araka ny haratsiana nanaovany ny asany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany, dia hitaraina amin’ny TOMPO ianareo, nefa tsy hohenoiny; hihodina tsy hijery anareo Izy noho ny asa ratsy nataonareo.
Malagasy Bible 1865
Amin'izany dia hitaraina amin'i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy amin'izany andro izany Izy Araka ny faharatsian'ny nataon'ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa mitaraina amin’NY TOMPO ireo dia tsy hihaino azy Izy; hanafina ny tavany aminy Izy amin’izany andro izany, ho valin’ny ratsy nataony.
malagasy
Amin'izany dia hitaraina amin'i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy amin'izany andro izany Izy Araka ny faharatsian'ny nataon'ireo.