Micah 3:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko: Rehefa misy zavatra hotsakoiny dia mitory fiadanana izy, fa izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany ady masina!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ireo mpaminany izay nampaniasia ny vahoakako; izy ireo raha mbola manan-kokaikerina ny nifiny, mitory ny fihavanana; izay rehetra tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia ilazany avokoa fa hiady:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ireo mpaminany izay mpamitaka ny vahoakako: «Raha misy mahafoy hokepohiny, dia iantsoany ‹Fiadanana›. Fa izay tsy manome zavatra hataony am-bava kosa dia hananganany ady manokana.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin'ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masina:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko: Rehefa misy zavatra hotsakoiny dia mitory fiadanana izy, fa izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany ady masina!
malagasy