Micah 3:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho menatra ny mpahita ary hangaihay ny mpanao fanandroana; eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra satria tsy misy valinteny avy amin’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hangaihay ny mpahita, ary ho mena azon’ny henatra ny mpanao fankatoavana; hisarom-bolom-bavany izy rehetra, fa tsy hisy intsony ny valy avy amin’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia ho menatra ny mpaminany isehoam-pahitana, ary hangaihay ny mpanambara ny ho avy; hisarom-bava avokoa izy rehetra, satria tsy namaly azy intsony Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho menatra ny mpahita ary hangaihay ny mpanao fanandroana; eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra satria tsy misy valinteny avy amin’Andriamanitra.
malagasy
Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin'Andriamanitra.