Micah 4:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izao no ho tonga amin’ny andro ho avy: Ny tendrombohitra misy ny tranon’NY TOMPO dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra; hasandratra ho avo noho ny havoana rehetra izy ary hitanjozotra hankany ny firenena maro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no ho tonga any am-paran’ny andro any: ny Tendrombohitra misy ny tranon’i Iaveh, haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra, sy hasandratra eo ambonin’ny havoana. Ary hitanjozotra ho any aminy ny firenena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao no ho tonga any aoriana any: Ny tendrombohitra misy ilay tempoli n’ny TOMPO dia haorina mafy ho faratampon’ny tendrombohitra, sy hanerinerina ambonin’ny havoana; ka vahoaka no hitanjozotra ho any.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izao no ho tonga amin’ny andro ho avy: Ny tendrombohitra misy ny tranon’NY TOMPO dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra; hasandratra ho avo noho ny havoana rehetra izy ary hitanjozotra hankany ny firenena maro.
malagasy
[Ny hampodian'i Jehovah ny voninahitr'i Ziona, rehefa avy nampahorina izy] Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany.