Micah 4:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry Ziona zanakavavy, mararia ka manezaha, toy ny vehivavy eo am-piterahana! Fa ankehitriny dia hivoaka avy any an-tanàna ianao ka hipetraka any an-tsaha, dia ho tonga hatrany Babilona aza; any no hamonjena anao, eny, any no hanavotan’NY TOMPO anao ho afaka amin’ny tanan’ny fahavalonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka ho voan’ny fanaintainana sy hanezaka ianao, ry zanaka vavin’i Siôna, toy ny vehivavy raha miteraka! Fa efa hivoaka ny tanàna ianao ankehitriny, ka nonina any an-tsaha, ary ho tonga hatrany Babilôna; any no hanafahana anao; any no hanavotan’i Iaveh anao, ho afaka amin’ny tanan’ny fahavalonao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Aoka ianareo hanaintaina sy hitaraindraina toy ny vehivavy miteraka, ry mponina ao Tsiôna! Satria ankehitriny dia hivoaka ny tanàna ianareo ka hitoby any an-tsaha ary handeha hatrany Babilôna. Any no hanafahana anareo; any no hanavotan’ny TOMPO anareo avy eo am-pelatanan’ny fahavalonareo.
Malagasy Bible 1865
Ry Ziona zanakavavy, mararia, ka manezaha, Toy ny vehivavy raha miteraka! Fa ankehitriny dia hivoaka avy any an-tanàna ianao Ka hipetraka any an-tsaha, Ary dia ho tonga hatrany Babylona aza; Any no hamonjena anao, Eny, any no hanavotan'i Jehovah anao ho afaka amin'ny tanan'ny fahavalonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry Ziona zanakavavy, mararia ka manezaha, toy ny vehivavy eo am-piterahana! Fa ankehitriny dia hivoaka avy any an-tanàna ianao ka hipetraka any an-tsaha, dia ho tonga hatrany Babilona aza; any no hamonjena anao, eny, any no hanavotan’NY TOMPO anao ho afaka amin’ny tanan’ny fahavalonao.
malagasy