Micah 4:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitsangàna ka manosihoseha, ry Ziona zanakavavy, fa hataoko vy ny tandrokao ary hataoko varahina ny kitronao ka hanorotoro firenena maro ianao; tsy azonao kasihina fa atokàny ho an’NY TOMPO ny harena azony tamin’ny tsy rariny, ary ho an’ny Tompon’ny tany rehetra ny fananany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mitsangàna ka mihose, ry zanaka vavin’i Siôna, fa ny tandrokao hataoko vy, ary ny kitronao, hataoko varahina, ka hanorotoro firenena maro ianao, ka hanokana ny tombon-karena azony ho an’i Iaveh aho, sy ny hareny, ho an’ny Tompon’ny tany rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Mitsangàna ka miveleza, ry mponina ao Tsiôna. Fa hataoko mahery ianareo, toy ny omby misy tandroka vy sy manan-kitro varahina, ka hanorotoro firenena maro. Ary ny harena voaangony ankeriny dia hatokanareo ho Ahy TOMPO, Izay tompon’ny tany tontolo.»
Malagasy Bible 1865
Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao ho an'i Jehovah ny hareny, Ary ho an'ny Tompon'ny tany rehetra ny fananany. Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin'ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran'ny Isiraely izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitsangàna ka manosihoseha, ry Ziona zanakavavy, fa hataoko vy ny tandrokao ary hataoko varahina ny kitronao ka hanorotoro firenena maro ianao; tsy azonao kasihina fa atokàny ho an’NY TOMPO ny harena azony tamin’ny tsy rariny, ary ho an’ny Tompon’ny tany rehetra ny fananany.
malagasy
Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao ho an'i Jehovah ny hareny, Ary ho an'ny Tompon'ny tany rehetra ny fananany.[Heb. hataoko herema]Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin'ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran'ny Isiraely izy.