Micah 4:14 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa mivoria ho andiany ianao, ry zanakavavin’ny andian-tafika! Ataovy fahirano izahay; asio amin’ny tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny, ry zanaka vavin’ny antoko miaramila, vorio ny antoko - miaramilanao! Fa isika efa natao fahirano; asiana ny tsora-kazo amin’ny takolany ny mpitsara an’i Israely
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankehitriny aloha, asio tombokavatsa ny tenanareo mba ho mariky ny fisaonana, ry mponin’i Jerosalema izay manangona ny andia-miaramilanareo; fa ataon’ny fahavalo fahirano ianareo, ary dia hokapohiny amin’ny tsorakazo ny takolan’ilay mpitsaran’i Israely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa mivoria ho andiany ianao, ry zanakavavin’ny andian-tafika! Ataovy fahirano izahay; asio amin’ny tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran’ny Israely.
malagasy
Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin'ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran'ny Isiraely izy.
Recommended Reading