Micah 4:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, maro ny Jentilisa no hiainga ka hiteny hoe: Andeha isika hiakatra any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO, ho any amin’ny tranon’Andriamanitr’i Jakoba mba hampianarany antsika ny amin’ny lalany ka handehanantsika amin’ny sakeli-dalany. Fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vahoaka maro no ho tonga sy hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; fa hampianariny antsika ny lalany, dia hizotra amin’ny sakeli-dalany isika. Satria avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Maro ny firenena hankany ka hilaza hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny TOMPO, any an-tempolin’ilay Andriamanitr’i Jakôba. Hampianariny antsika ny lalana soritany, ka harahintsika izay atorony. Fa avy any Tsiôna no ivoahan’ny fampianaran’ny TOMPO; avy any Jerosalema no ipoiran’ny teniny.
Malagasy Bible 1865
Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha Isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, maro ny Jentilisa* no hiainga ka hiteny hoe: Andeha isika hiakatra any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO, ho any amin’ny tranon’Andriamanitr’i Jakoba mba hampianarany antsika ny amin’ny lalany ka handehanantsika amin’ny sakeli-dalany. Fa avy any Ziona* no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’NY TOMPO.
malagasy
Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha Isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah.